Ezra 6:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy izay nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka noentiny ho any Babilona dia aoka haverina ho any amin’ny tempoly any Jerosalema indray, samy ho amin’ny toerany avy ka aoka hapetraka ao amin’ny tranon’Andriamanitra avokoa ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fanampin’izany, ny fanaka volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra izay nalain’i Nabokodonozora tany amin’ny Tempoly any Jerosalema dia haverina ka dia hoentina ao amin’ny tempoly any Jerosalema, hatao amin’ny fitoerany teo, ka hapetrakao ao an-tranon’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanak’ilay tranon’Andriamanitra koa, izany hoe ireo fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnetsara tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ka nentiny ho any Babilôna, dia aoka haverina ho any amin’ny tempolin’i Jerosalema indray ka samy hapetraka amin’ny toerany ao an-tranon’Andriamanitra».
Malagasy Bible 1865
ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin'ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin'ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon'Andriamanitra avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy izay nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka noentiny ho any Babilona dia aoka haverina ho any amin’ny tempoly any Jerosalema indray, samy ho amin’ny toerany avy ka aoka hapetraka ao amin’ny tranon’Andriamanitra avokoa ireo.
malagasy