Ezra 6:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mamoaka didy ny amin’ny hataonareo amin’ny loholon’ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’Andriamanitra izany aho: Aoka ny harenan’ny mpanjaka, izany hoe ny hetra avy amin’ny any andafin’ny ony Eofrata, no handoavana izay lany marina ho an’ireo lehilahy ireo mba tsy ho azon-tsampona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody, hanorenana indray io tranon’Andriamanitra io: ny haren’ny mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony, no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no didy avoakako ho anareo any amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholona jiosy hanorenany indray izany trano izany: aoka ny haren’ny amperôra, dia ny hetra avy amin’ny faritra andrefan’ny ony no handoavana izay lany marina ho an’ireo lehilahy ireo mba tsy hiatoatoan’ny asa.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho manao didy ny amin'ny hataonareo amin'ny loholon'ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon'Andriamanitra izany: aoka ny haren'ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana marina izay lany ho an'ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mamoaka didy ny amin’ny hataonareo amin’ny loholon’ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon’Andriamanitra izany aho: Aoka ny harenan’ny mpanjaka, izany hoe ny hetra avy amin’ny any andafin’ny ony Eofrata, no handoavana izay lany marina ho an’ireo lehilahy ireo mba tsy ho azon-tsampona izy.
malagasy