Ezra 6:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny lanitra, na varimbazaha, na sira, na divay, na diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isanandro isanandro tsy tapaka
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, na vantotr’ombalahy, na ondralahy aman-janak’ondry, na varimbazaha, na sira, na divay aman-diloilo, araka ny fandaharana ataon’ny mpisorona ao Jerosalema, dia homena azy isan’andro tsy tapaka,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zavatra ilain’ny mpisorona ao Jerosalema dia omena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka: na ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry hanaovana sorona dorana manontolo ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra, na koa ny varimbazaha sy sira na divay sy menaka, samy araka ny fandaharana ataon’ireo mpisorona.
Malagasy Bible 1865
Ary izay zavatra ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy, na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian'ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro isan'andro tsy tapaka izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny lanitra, na varimbazaha, na sira, na divay, na diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isanandro isanandro tsy tapaka
malagasy