Ezra 7:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no dikan’ny taratasy izay nomen’i Artaksersesy mpanjaka an’i Ezra mpisorona, ilay mpanoradalàna mahay ny tenin’ny lalànan’NY TOMPO sy ny didiny tamin’ny Israely:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no kôpian’ny taratasy nomen’i Artakserksesa mpanjaka, an’i Esdrasa - izay mpisorona sy mpampiana-dalàna, mpampiana-dalàna mahay ny didy aman-dalàn’i Iaveh ny amin’ny momba an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no kôpian’ilay taratasy nomen’i Artakserksesa an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny antsipirian’ireo didy aman-dalàn’ny TOMPO ho an’i Israely:
Malagasy Bible 1865
Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no dikan’ny taratasy izay nomen’i Artaksersesy mpanjaka an’i Ezra mpisorona, ilay mpanoradalàna mahay ny tenin’ny lalànan’NY TOMPO sy ny didiny tamin’ny Israely:
malagasy
Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely: