Ezra 7:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ianao dia hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotry ny mpanjaka sy ireo mpanolotsaina an-tsitrapo ho an’Andriamanitry ny Israely, izay monina any Jerosalema;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen’ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitrapo, ho an’ny Andriamanitr’i Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Irahinay koa ianao hitondra ny volafotsy sy volamena izay efa sitrako sy sitrak’ireo mpanolotsaiko nomena ho an’Ilay Andriamanitr’i Israely Izay ao Jerosalema no fonenany;
Malagasy Bible 1865
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ianao dia hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotry ny mpanjaka sy ireo mpanolotsaina an-tsitrapo ho an’Andriamanitry ny Israely, izay monina any Jerosalema;
malagasy
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;