Ezra 7:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao avy amin’ny tany Babilona manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotry ny olona sy ny mpisorona, dia izay atolony an-tsitrapo hanaovany ny tranon’Andriamaniny, izay any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mbamin’ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran’ny faritanin’i Babilôna ary koa ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny any Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary dia hoentinao koa ny fanomezana rehetra volafotsy sy volamena izay ho azonao eran’ny faritr’i Babilôna, miaraka amin’ny fanomezana an-tsitrapo aterin’ireo mpiray firenena aminao na mpisorona na sarambabem-bahoaka, mba ho an’ny tranon’Ilay Andriamaniny izay any Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao avy amin’ny tany Babilona manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotry ny olona sy ny mpisorona, dia izay atolony an-tsitrapo hanaovany ny tranon’Andriamaniny, izay any Jerosalema.
malagasy