Ezra 7:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho Artaksersesy mpanjaka dia mamoaka didy koa ho amin’ny mpitahiry ny harenan’ny fanjakana rehetra izay any andafin’ny ony Eofrata, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tanteraho marina izany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an’ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin’ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain’i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, aminareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izaho, Artakserksesa amperôra, dia manao izao didy izao ho anareo rehetra mpitahiry harem-panjakana any andafy andrefan’ny ony Eofrata; iny i Hezrà mpisorona, izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny lalànan’ilay Andriamanitry ny lanitra; na inona na inona ilainy ka takîny aminareo, dia hotanterahina tsy misy tomika izany.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho Artaksersesy mpanjaka dia mamoaka didy koa ho amin’ny mpitahiry ny harenan’ny fanjakana rehetra izay any andafin’ny ony Eofrata, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tanteraho marina izany,
malagasy