Ezra 7:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra, ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Netinima ary ny mpanompo amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy angalana hetra, na haba na sara, ny mpisorona, ny Levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natineanina, mbamin’izay rehetra manompo amin’io tranon’Andriamanitra io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ampahafantarinay anareo mpitahiry harem-panjakana koa fa ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira sy mpiandry varavarana, ary ny mpanampy sy mpiasa hafa ao amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra na haba na sara.
Malagasy Bible 1865
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra, ny levita*, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Netinima* ary ny mpanompo amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
malagasy
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.