Ezra 7:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara izay hitondra ny olona rehetra any andafin’ny ony Eofrata, dia izay rehetra mahalala ny lalànan’Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry Esdrasa, araka ny fahendren’Andriamanitrao, izay eo an-tananao, dia manendre mpitsara sy andriambaventy hitsara ny vahoaka rehetra any an-dafin’ny ony, amin’izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao, ary ampianaro izay tsy mahalala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary ianao, ry Hezrà, araka ny fahendren’ny lalànan’Andriamanitrao izay eny an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara mba hitsara ny olona rehetra mahalala ny lalànan’Andriamanitrao amin’ny mponina any andafy andrefan’ny ony Eofrata; fa izay tsy mbola mahalala izany lalàna izany kosa dia aoka hampianarinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara izay hitondra ny olona rehetra any andafin’ny ony Eofrata, dia izay rehetra mahalala ny lalànan’Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
malagasy