Ezra 7:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitry ny razantsika izay nametraka izany tao am-pon’ny mpanjaka mba hahatsara endrika ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;
Malagasy Bible 1865
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitry ny razantsika izay nametraka izany tao am-pon’ny mpanjaka mba hahatsara endrika ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema
malagasy
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.