Ezra 7:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady efa nampahazo ahy famindrampo teo anatrehan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ny mpanjaka. Dia nampaherezina aho araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ny Israely mba hiara-miakatra amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy nampahita fitia ahy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin’ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tanan’i Iaveh Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin’i Israely hiara-miainga amiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady teo anatrehan’ny amperôra sy ireo mpanolotsainy ary ny manampahefana rehetra manodidina azy koa no nanehoany fitiavana ahy. Ary nampaherezin’ny fiarovan’ny TOMPO Andriamanitro aho ka nahangona loholona israelita mba hiara-miverina amiko any an-tanindrazana».
Malagasy Bible 1865
sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady efa nampahazo ahy famindrampo teo anatrehan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ny mpanjaka. Dia nampaherezina aho araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ny Israely mba hiara-miakatra amiko.
malagasy