Ezra 7:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Io Ezra io dia niakatra avy tany Babilona; mpanoradalàna izy sady nahay ny lalànan’i Mosesy izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely; nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamaniny azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Io Ezra io dia niakatra avy tany Babilona; mpanoradalàna izy sady nahay ny lalànan’i Mosesy izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely; nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamaniny azy.
malagasy