Ezra 7:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babilona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny andro voalohan’ny volana voalohany no niaingan’i Hezrà avy tany Babilôna; ary ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nombàn’Andriamanitra azy.
Malagasy Bible 1865
Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babilona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy.
malagasy