Ezra 8:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampitondraiko teny ho any amin’Ido, loholona any Kasifia ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia mba hoentiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirahiko ho any amin’i Edô loholona, ao amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy ireo; dia nofahanako teny hambara amin’i Edô, mbamin’ireo Natineanina rahalahiny any amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy, mba hitondrany mankatỳ aminay izay ho mpandraharaha ao amin’ny tranon’ny Andriamanitray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nampitondraiko hafatra ho an’i Hidao loholona any Kasifià izy 11 lahy; ka nambarako azy izay teny holazaina amin’i Hidao sy ireo namany mpanampy ny Levita izay monina any Kasifià. Ny kendrena dia ny hitondran’izy 11 lahy atỳ aminay ireo olona ho mpandraharaha ao an- tranon’Andriamanitray.
Malagasy Bible 1865
Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampitondraiko teny ho any amin’Ido, loholona any Kasifia ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’Ido sy ny Netinima* rahalahiny any Kasifia mba hoentiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitray.
malagasy
Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.