Ezra 8:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay hoe: Mahasoa izay rehetra mitady Azy ny tanan’Andriamanitray; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa dia mamely izay rehetra mahafoy Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny amperôra mba hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana; fa efa nilaza taminy manko izahay hoe: «Momba izay rehetra mitady Azy ny fiarovan’Andriamanitray, fa ny fahatezerany kosa hamely mafy izay rehetra mahafoy Azy».
Malagasy Bible 1865
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay hoe: Mahasoa izay rehetra mitady Azy ny tanan’Andriamanitray; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa dia mamely izay rehetra mahafoy Azy.
malagasy