Ezra 8:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ny fanaka, dia fanomezana ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray, izay efa natokan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany sy ireo mpanapaka ary ny Israely rehetra izay vory teo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nolanjaiko teo anatrehan’izy ireo ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin’i Israely vory teo, natokany ho an’ny tranon’Andriamanitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nolanjaiko teo anatrehan’izy 24 lahy ny volafotsy sy volamena ary fanaka horaisiny, dia ny zavatra natokana ho an’ny tranon’Andriamanitray ka naterin’ny amperôra sy ny mpanolotsainy sy ny manampahefana ary ny Israelita rehetra vory teo.
Malagasy Bible 1865
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ny fanaka, dia fanomezana ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray, izay efa natokan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany sy ireo mpanapaka ary ny Israely rehetra izay vory teo;
malagasy