Ezra 8:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy aho taminy: Masina ho an’NY TOMPO ianareo sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny razanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no nolazaiko tamin’izy ireo: «Masina eo anatrehan’i Iaveh ianareo, ary ireo fanaka ireo dia zavatra masina; izany volafotsy amana volamena izany, dia fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy aho tamin’ireo mpisorona sy levita ireo: –Tahaka ny maha voatokana anareo ho an’ny TOMPO no maha voatokana an’ireto fanaka ireto ho Azy koa; ny volafotsy sy volamena dia fanomezana an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, Ilay Andriamanitry ny razanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy aho taminy: Masina ho an’NY TOMPO ianareo sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny razanareo.
malagasy
Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.