Ezra 8:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa miambena ianareo ka tandremo ireny mandra-pandanjanareo azy indray eo anatrehan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana amin’ny Israely any Jerosalema, dia ao amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ambeno amim-pitandremana ireo, mandra-pandanjanareo azy eo anatrehan’ny lohan’ny mpisorona sy ny levita, sy eo anatrehan’ny loham-pianakavian’i Israely, any Jerosalema, amin’ny efitrano eo an-tranon’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tandremo tsara ireo mandra-pahatonga any Jerosalema, ary lanjao eo anatrehan’ny lohandohany amin’ny mpisorona sy levita ary eo anatrehan’ny loham-pianakaviana, ao amin’ny efitrano fanaovana izany ao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa miambena ianareo ka tandremo ireny mandra-pandanjanareo azy indray eo anatrehan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana amin’ny Israely any Jerosalema, dia ao amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy