Ezra 8:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niala teo amin’ny ony Ahava izahay tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana voalohany fa hankany Jerosalema; ary ny tanan’Andriamanitray nomba anay, koa Izy no namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanao vela-pandrika teny an-dalana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala teo amin’ny ony Ahavà, tamin’ny andro faha-12n’ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tanan’ny Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro faha-13, volana voalohany, no nialanay teo amin’ny lakan-dranon’i Ahavà mba hankany Jerosalema; ary nombàn’ny fiarovan’Andriamanitra izahay teny an-dalana ka novonjeny tamin’ny famelezan’ny fahavalo sy mpanotrika.
Malagasy Bible 1865
Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niala teo amin’ny ony Ahava izahay tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana voalohany fa hankany Jerosalema; ary ny tanan’Andriamanitray nomba anay, koa Izy no namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanao vela-pandrika teny an-dalana.
malagasy