Ezra 8:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tanan’i Meremota, zanak’i Oria mpisorona, tao amin’ny tranon’Andriamanitray; ary teo aminy koa i Eleazara, zanak’i Finehasa; teo amin’izy roa lahy koa i Jozabada, zanak’i Josoa, sy i Noadia, zanak’i Binoy; levita izy roa lahy ireo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon’ny Andriamanitray ny volafotsy sy ny volamena mbamin’ny fanaka, ho eo an-tanan’i Merimota zanak’i Oria, mpisorona; teo aminy koa i Eleazara zanak’i Finea; ary teo amin’izy ireo koa, i Jôzabada zanak’i Josoe, sy i Nôadiasa zanak’i Benoì.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy volamena ary fanaka, alohan’ny hanolorana azy an’i Meromôta mpisorona, zanakalahin’i Orià, izay nampian’i Elehazara, zanakalahin’i Pinehasa, ary koa ny levita anankiroa, dia i Jôzabada zanakalahin’i Jesoa, sy i Nôhadià zanakalahin’i Binoy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tanan’i Meremota, zanak’i Oria mpisorona, tao amin’ny tranon’Andriamanitray; ary teo aminy koa i Eleazara, zanak’i Finehasa; teo amin’izy roa lahy koa i Jozabada, zanak’i Josoa, sy i Noadia, zanak’i Binoy; levita* izy roa lahy ireo;
malagasy
Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;