Ezra 8:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny Israely, dia vantotra ombilahy roa amby folo ho an’ny Israely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ondry fito amby fitopolo ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota: Fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanatitra sorona dorana ho an’ny Andriamanitr’i Israely ny olona avy any amin’ny tany nahavoasesitany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy 12 ho an’i Israely rehetra, ondralahy 96, zanak’ondry 77, osy lahy 12, noho ny ota: natao sorona dorana ho an’i Iaveh izany rehetra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay rehetra niverina avy any an-tsesitany dia nanolotra sorona ho an’Ilay Andriamanitr’i Israely. Ka tamin’ny anaran’i Israely tsivakivolo no nanolorany ombilahy 12 sy ondrilahy 96 ary zanakondry 77 ho sorona dorana manontolo, sady nanolorany osilahy 12 ho sorona fanalana ny ota: natao sorona nolevonina manontolo ho an’ny TOMPO izany rehetra izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny Israely, dia vantotra ombilahy roa amby folo ho an’ny Israely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ondry fito amby fitopolo ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota: Fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo.
malagasy
Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.