Ezra 8:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny didin’ny mpanjaka kosa dia natolony tamin’ireo solontenany sy ireo governora tamin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary izy ireo dia nampandroso ny olona sy ny tranon’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia natolotr’izy ireo ny governora lehiben’ny mpanjaka mbamin’ny governora any an-dafin’ny ony, ny didin’ny mpanjaka, ka dia niaro ny vahoaka sy ny tranon’Andriamanitra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia natolotray an’ireo solotenan’ny andriamanjaka sy ireo governoran’ny faritra atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata ny didin’i Artakserksesa; ka nampian-dry zareo ny vahoaka israelita sy ny tranon’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny didin’ny mpanjaka kosa dia natolony tamin’ireo solontenany sy ireo governora tamin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary izy ireo dia nampandroso ny olona sy ny tranon’Andriamanitra.
malagasy
Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.