Ezra 9:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita izany rehetra izany dia nanatona ahy ireo mpanapaka ka niteny hoe: Ny Israely sy ny mpisorona ary ny levita dia tsy miavaka amin’ny olona tompon-tany fa mbola manao ny fahavetavetan’ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejiptiana ary ny Amorita ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany zavatra izany, dia nanatona ahy ireo lehiben’ny Israelita ka nanao hoe: –Na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, dia tsy mbola miavaka amin’ny valovotaka, fa maka tahaka ny zava-maharikoriko fanaon’ny Kanahanita sy Hitita, ny Perizita sy Jebosita, ny Hamônita sy Môabita, ary ny Ejiptianina sy Amôrita.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vita izany rehetra izany dia nanatona ahy ireo mpanapaka ka niteny hoe: Ny Israely sy ny mpisorona ary ny levita* dia tsy miavaka amin’ny olona tompon-tany fa mbola manao ny fahavetavetan’ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejiptiana ary ny Amorita ihany.
malagasy
[Ny alahelon'i Ezra, raha nahare fa ny Jiosy efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny nibebahan'ny olona tamin'izany] Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.