Ezra 9:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ny tompon-tany sy ny fahavetavetany izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia efa nolazainao taminay, tamin’ny vavan’ireo mpaminany mpanomponao, hoe: Ny tany hidiranareo hangalanareo azy ho fanananareo dia tanim-pahalotoana efa voaloton’ny fahalotoan’ireo vahoakan’ireo tany ireo sy azon’ny fahavetavetana nasafony azy hatrizay hatrizay noho ny fahalotoan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ireo didy nampilazainao ny mpaminany mpanomponao. Nampitandrina Ianao hoe: ‹Ny tany, izay efa hidiranareo ho fanananareo, dia maloto satria manenika azy hatraiza hatraiza ny fahalotoana sy zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena tompon-tany.
Malagasy Bible 1865
dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ny tompon-tany sy ny fahavetavetany izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
malagasy