Ezra 9:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay; izay no hampahery anareo ka hihinanareo ny soa avy amin’ny tany ka hamelanareo izany ho lovan’ny taranakareo mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny aza manome ny zanakareo vavy ho an’ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho an’ny zanakareo lahy, ary aza miahy ny fanambinany amam-piadanany na oviana na oviana, mba handroso ho mahery ianareo, ka hihinana ny vokatsoan’ity tany ity, sy hamela azy ho lovan’ny taranakareo mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza manome ny zanakavavinareo ho vadin’ny zanakalahiny, na maka ny zanakavaviny ho vadin’ny zanakalahinareo. Aza mitady izay hampiadana azy na hahasoa azy na oviana na oviana; izany no handrosoanareo ho mahery ka hiarananareo amin’ny voka-tsoan’izany tany izany sy hamelanareo azy ho lovan’ny taranakareo hatrany hatrany.›
Malagasy Bible 1865
koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa aza manome ny zanakareo vavy ho vadin’ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay; izay no hampahery anareo ka hihinanareo ny soa avy amin’ny tany ka hamelanareo izany ho lovan’ny taranakareo mandrakizay.
malagasy