Ezra 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Ianao Andriamanitray fa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Atỳ aorian’izay rehetra nanjò anay, noho ny ratsy nataonay sy ny helokay - nefa mbola nitsitsianao anay, ry Andriamanitray ô, tsy namely anay araka ny helokay Ianao, sy namela anay hisy afaka ihany toy izao -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Andriamanitray ô, na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsy sy fahotana vitanay, dia tsy nanafay anay araka ny helokay Ianao fa mbola namela anay hisy sisa afaka toy izao ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Ianao Andriamanitray fa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
malagasy