Ezra 9:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritra anay va Ianao ka tsy hisy sisa ho afaka akory?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
moa dia mbola mety handika ny didinao izahay, ka hiharo amin’ireo vahoaka vetaveta loatra ireo? Moa tsy ho tezitra mafy aminay va Ianao ka handringana anay sy tsy hamela anay hisy sisa na ho afaka akory?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana àry no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin’ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavaka?
Malagasy Bible 1865
fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritra anay va Ianao ka tsy hisy sisa ho afaka akory?
malagasy
fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.