Ezra 9:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
RY TOMPO Andriamanitry ny Israely ô, marina Ianao, matoa izahay no hany sisa niangana tahaka ny amin’izao anio izao. Indreto izahay eto anatrehanao miaraka amin’ny fahadisoanay, kanefa noho izany ihany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, marina Ianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan’izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin’ny otanay eto anatrehanao, fa tsy mety ho velona eo anoloan’ny Tavanao izahay noho izany ota izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»
Malagasy Bible 1865
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
RY TOMPO Andriamanitry ny Israely ô, marina Ianao, matoa izahay no hany sisa niangana tahaka ny amin’izao anio izao. Indreto izahay eto anatrehanao miaraka amin’ny fahadisoanay, kanefa noho izany ihany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
malagasy