Ezra 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria efa naka vady ho azy sy ho an’ny zanany lahy tamin’ny zanakavavin’ireo izy ka zary miharoharo amin’ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka azy no nitari-dalana tamin’izany fahadisoana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria naka ny zanaka vavin’ireo izy ho vady, sy ho an’ny zanany lahy, ka tafaharo amin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny taranaka masina; sady ny lohany sy andriambaventy indrindra no loha lalana amin’izany ota izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakavavin’ireo manko no nalain’ny lehilahy israelita ho vadiny sy ho vadin’ny zananilahy, hany ka ny taranaka masina no miharoharo amin’ny valovotaka; ary ny lehibe sy mpifehy mihitsy aza no nitari-dàlana tamin’izany fahadisoana izany.
Malagasy Bible 1865
Fa efa naka tamin'ny zanakavavin'ireo ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin'ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria efa naka vady ho azy sy ho an’ny zanany lahy tamin’ny zanakavavin’ireo izy ka zary miharoharo amin’ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka azy no nitari-dalana tamin’izany fahadisoana izany.
malagasy