Ezra 9:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’Andriamanitry ny Israely ny amin’ny hadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana; ary mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany aho hatramin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivory teo amiko avokoa izay nangovitra noho ny tenin’ny Andriamanitr’i Israely, noho ny otan’ny zanaky ny fahababoana; izaho izany mbola tafatombina nivarahontsana teo ihany mandra-pahatongan’ny fanatitra hariva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka mbola tafapetraka toy izany ihany mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny sorona hariva. Dia nivory teo amiko izay rehetra fatra-panaja ny tenin’Ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’ny fahadisoan’ireo Jiosy efa tafaverina avy any an-tsesitany.
Malagasy Bible 1865
Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’Andriamanitry ny Israely ny amin’ny hadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana; ary mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany aho hatramin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva.
malagasy