Ezra 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tamin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva dia nody ny aiko ka nitsangana aho sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, avy eo dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’NY TOMPO Andriamanitro aho
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fotoana fanolorana ny sorona hariva indrindra vao nody ny aiko, ka tafarina aho; dia mbola amin’ireto lambako sy akanjoko triatra ireto aho no nandohalika sy nanandra-tanana ho amin’ny TOMPO Andriamanitro
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tamin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva dia nody ny aiko ka nitsangana aho sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, avy eo dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’NY TOMPO Andriamanitro aho
malagasy