Ezra 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny vao mba niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’NY TOMPO Andriamanitray tamin’ny namelany anay ho nisy sisa niangana tamin’ny nanomezany anay toerana eo amin’ny fitoerany masina, mba hohazavain’Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ny fahandevozanay izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy andro anefa nanehoan’i Iaveh Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afaka izahay, ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina, mba hanazavan’ny Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay eo anatin’ny fahandevozana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray ô, no fotoanandro nanehoanao famindrampo taminay, ka navelanao ho nisy sisa afaka izahay ary hiorim-ponenana eto amin’ity faritrao masina ity; dia nampamirapiratinao ny masonay ary nataonao velombelona kely ny ainay ao anatin’izao fahandevozanay izao.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny vao mba niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’NY TOMPO Andriamanitray tamin’ny namelany anay ho nisy sisa niangana tamin’ny nanomezany anay toerana eo amin’ny fitoerany masina, mba hohazavain’Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ny fahandevozanay izahay.
malagasy
Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.[Izahao Isa. xxii. 23]