Galatians 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, olona va no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa mila sitraka amin’olona va aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olombelona ve ankehitriny no ilàko sitraka? Tsia, fa Andriamanitra no ilàko sitraka! Sa ny ho mamy hoditra amin’ny olombelona no tadiaviko? Raha mbola ny ho mamy hoditra amin’ny olombelona no tadiaviko, dia tsy mpanompon’i Kristy aho.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, olona va no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa mila sitraka amin’olona va aho? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho dia tsy mpanompon’i Kristy.
malagasy
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.