Galatians 1:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandre ihany izy ireo hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny, mitory ny finoana izay noravany fahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nandre fotsiny izy ireo hoe: «Ilay mpanenjika antsika fahiny dia indro ankehitriny mitory ny finoana izay nilofosany horavana fahiny!»
Malagasy Bible 1865
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandre ihany izy ireo hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny, mitory ny finoana izay noravany fahiny.
malagasy
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.