Galatians 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Gaga aho raha mifindra haingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Gaga aho fa tsy toy inona akory dia ilaozanareo ilay Andriamanitra niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy, ka dia Vaovao Mahafaly hafa no itodihanareo.
Malagasy Bible 1865
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Gaga aho raha mifindra haingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy* ho amin’ny Filazantsara hafa
malagasy
[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,