Galatians 2:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niara-nisakafo tamin’ny Jentilisa ihany mantsy izy fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’i Jakoba. Raha vao tonga anefa ireo dia nihatakataka izy satria natahotra ireo voafora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa talohan’ny nahatongavan’ireo olona vitsivitsy naman’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny mpino hafa firenena i Petera. Saingy nony tonga ireo, dia nihataka i Petera ka niala tamin’ny hafa firenena, noho izy natahotra ireo anisan’ny voafora.
Malagasy Bible 1865
Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niara-nisakafo tamin’ny Jentilisa* ihany mantsy izy fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’i Jakoba. Raha vao tonga anefa ireo dia nihatakataka izy satria natahotra ireo voafora.
malagasy
Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.