Galatians 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitako anefa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Filazantsara ireo dia hoy aho tamin’i Kefasy, teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny Jentilisa fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana moa ny Jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra teo hoe: «Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nony hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny Vaovao Mahafaly marim-pototra izy ireo, dia hoy aho tamin’i Petera teo anatrehan’ny olona rehetra: «Raha ianao Jiosy aza miaina araka ny fanaon’ny hafa firenena fa tsy araka ny fanaon’ny Jiosy, ahoana no anerenao ny hafa firenena hanaraka ny fanaon’ny Jiosy?»
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitako anefa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Filazantsara ireo dia hoy aho tamin’i Kefasy, teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny Jentilisa fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana moa ny Jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?
malagasy