Galatians 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika. Amin’izany mantsy dia hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy isika fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa nony fantatsika fa tsy ny asan’ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mba nino an’i Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana Azy, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin’Andriamanitra ho marina, tsy avy amin’ny fanatanterahana ny lalàna fa noho ny finoana niainan’i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an’i Kristy Jesoa mba hankatoavan’Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan’i Kristy fa tsy avy amin’ny fanatanterahana ny lalàna.
Malagasy Bible 1865
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy*, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika. Amin’izany mantsy dia hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy isika fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.
malagasy
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.