Galatians 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa isika koa aza dia hita fa mpanota, moa mpanompon’ny ota va Kristy? Sanatria izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha ilay mitady hohamarinina ao amin’i Kristy iny isika no amin’izay ny tenantsika aza no hita mpanota, dia ho mpandraharahan’ny ota àry i Kristy? Sanatria izany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mitady hiray amin’i Kristy izahay mba hankatoavin’Andriamanitra ho marina, dia hita fa mpanota koa izahay, kanefa mpanompon’ny fahotana ve i Kristy? Sanatria!
Malagasy Bible 1865
Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa isika koa aza dia hita fa mpanota, moa mpanompon’ny ota va Kristy? Sanatria izany!
malagasy
Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!