Galatians 2:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy:
Malagasy Bible 1865
Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
malagasy
Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.