Galatians 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny rahalahy sandoka niditra an-tsokosoko, izay nisoko mangina hitsikilo ny fahafahantsika izay ananantsika ao amin’i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny anton’izany, dia satria nisy mpino sandoka sasany nampidirina an-tsokosoko sy niditra mangingina, hitsikilo ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy Jesoa mba hanandevozany antsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin’i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.
Malagasy Bible 1865
dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny rahalahy sandoka niditra an-tsokosoko, izay nisoko mangina hitsikilo ny fahafahantsika izay ananantsika ao amin’i Kristy* Jesosy, mba hanandevozany antsika;
malagasy
dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;