Galatians 2:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny amin’ny olona izay heverina ho manan-daza indray, na nanao ahoana na nanao ahoana izy, dia tsy mampaninona ahy satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Tsy nomen’ireo saina na tamin’inona na tamin’inona aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ireo nanan-kaja kosa, na ahoana na ahoana halehibeny, dia tsy mampaninona ahy izany, fa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, ka tsy nandidy na inona na inona tamiko ireo olona nanan-kaja ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo noheverina ho tena tompon’andraikitra kosa, – na ahoana na ahoana fahefàny, dia tsy mampaninona ahy izany, satria Andriamanitra tsy mba mizaha tavan’olona! –, ireo tompon’andraikitra dia tsy nandidy ahy hampihatra fepetra hafa na inona na inona.
Malagasy Bible 1865
Fa ny amin'ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza ireo saina na tamin'inona na tamin'inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny amin’ny olona izay heverina ho manan-daza indray, na nanao ahoana na nanao ahoana izy, dia tsy mampaninona ahy satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Tsy nomen’ireo saina na tamin’inona na tamin’inona aho.
malagasy