Galatians 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony fantatr’i Jakoba sy i Kefasy ary i Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana havanana ho mariky ny fiombonana izahay sy i Barnabasy mba hankany amin’ny Jentilisa, fa izy kosa dia ho any amin’ny voafora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany, izay natao andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily, fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jakôba sy i Petera ary i Jôhany, izay samy noheveriko ho filoha, dia niaiky izany tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy izany ary nandray tanana ahy sy nandray tanana an’i Barnabà ho mariky ny fiombonana. Koa nifanarahana fa izaho sy i Barnabà dia hiasa any amin’ny hafa firenena, ary izy ireo kosa hiasa eo amin’ny Jiosy.
Malagasy Bible 1865
ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony fantatr’i Jakoba sy i Kefasy ary i Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana havanana ho mariky ny fiombonana izahay sy i Barnabasy mba hankany amin’ny Jentilisa, fa izy kosa dia ho any amin’ny voafora.
malagasy