Galatians 3:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kristy no nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna satria tonga voaozona hamonjy antsika Izy; fa voasoratra hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo» (Deo 21.23),
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»
Malagasy Bible 1865
Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kristy* no nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna satria tonga voaozona hamonjy antsika Izy; fa voasoratra hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo» (Deo 21.23),
malagasy
Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),