Galatians 3:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry rahalahy! Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, fa na dia ny didim-pananana ataon’olona aza, rehefa vita ara-dalàna, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havana, hiteny araka ny fanaon’ny besinimaro aho: na dia ny didim-pananana ataon’olona aza, rehefa vita ara-pomba, dia tsy azon’olona foanana na ampiana.
Malagasy Bible 1865
Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry rahalahy! Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, fa na dia ny didim-pananana ataon’olona aza, rehefa vita ara-dalàna, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy azy.
malagasy
Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany. [ Na: didim-pananana]