Galatians 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ho an’ireo taranaka, toy ny milaza ny maro, fa toy ny milaza ny iray, «ary ho an’ny taranakao» (Gen 22.18), dia i Kristy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranakao, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe i Kristy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’i Abrahama sy tamin’ilay taranany kosa no nilazan’Andriamanitra ny fampanantenana. Ary ny Soratra Masina dia tsy manao hoe «tamin’ireo taranany», toy ny nanondro maro; fa hoe «tamin’ilay taranakao », toy ny manondro tokana: dia i Kristy izany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ho an’ireo taranaka, toy ny milaza ny maro, fa toy ny milaza ny iray, «ary ho an’ny taranakao» (Gen 22.18), dia i Kristy* izany.
malagasy
Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.