Galatians 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao no lazaiko: Ny didim-pananana izay nataon’Andriamanitra mafy orina fahiny dia tsy foanan’ny lalàna, izay vao telopolo sy efajato taona tatỳ aoriana, fa manjary hanafoana ny teny fikasana io raha izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia izao, hoy aho: fanekena mafy efa nataon’Andriamanitra izany, ka raha izay Lalàna natao telopolo amby efajato taona tatỳ aoriana, dia tsy mahafoana izany, na mahafoana ny teny fampanantenana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao no lazaiko: Nisy fanekempihavanana vita ara-pomba nataon’Andriamanitra mialoha; ary ny lalàna, niseho 430 taona tatỳ aoriana, dia tsy hahafoana io fanekempihavanana io ka hahatonga ny fampanantenana tsy hanan-kery.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.