Galatians 3:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana moa no misy ny lalàna? Nomena ho fanampiny mba hisehoan’ny fahadisoana ambara-piavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana izany; anjely no nandahatra izany teo an-tanan’ny mpanalalana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Inona àry no anton’ny lalàna? Ny lalàna dia zavatra natovana mba hampiharihary ny fandikan-dalàna, mandra-piavin’ilay taranaka iantefan’ny fampanantenana. Fa ny lalàna dia natolotr’ anjely teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray;
Malagasy Bible 1865
Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana moa no misy ny lalàna? Nomena ho fanampiny mba hisehoan’ny fahadisoana ambara-piavin’ny taranaka izay nomena ny teny fikasana izany; anjely no nandahatra izany teo an-tanan’ny mpanalalana.
malagasy
Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.