Galatians 3:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy intsony ny Jiosy sy Grika, ny andevo sy olona afaka, ny lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy intsony ny Jiosy* sy Grika, ny andevo sy olona afaka, ny lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.
malagasy
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.