Galatians 4:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hafanam-po nasehon’ireo taminareo dia tsy tsara; fa hampisaraka anareo aminay izy mba hiraiketan’ny fonareo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy rariny ny ataon-dry zareo mila fitia aminareo, fa tadiaviny hihataka aminay ianareo, mba hiraiketanareo aminy kosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mila fitia aminareo ry zareo nefa tsy araka ny mety; fa ny hihatahanareo amiko no tadiaviny mba hitiavanareo azy.
Malagasy Bible 1865
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hafanam-po nasehon’ireo taminareo dia tsy tsara; fa hampisaraka anareo aminay izy mba hiraiketan’ny fonareo aminy.
malagasy
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.